FAMBOLEN-KAZO AMPANOTOKANA - 02 MARS 2013


Mifanaraka nefa tsy mitovy ny taona. Nanomboka tamin'ny taona 2007, ny vondrona "Nouvelle Génération" dia nanatanteraka fambolen-kazo maro tany Imeritsiantosika, Ambohimanambola, nandalo tany Anmpanotokana sy Andringitra. 
Satria moa ny FVKFM dia mikasa manatsara hatrany, tamin'ity indray mitoraka ity, ny volana martsa dia nantsoina hoe "Volan'ny Fambolen-kazo". Noho izany, sabotsy 4 no natokana hanaovana izany, eny amn'ny toerana efa fambolen-kazon'ny Nouvelle Génération, izany hoe Ampanotokana sy Ambohimanambola. 


Talohan'ny nandehanana, tamin'ity faha-2 martsa, ireo tanora dia nanatrika ny lahateny fampaherezana sy famporisihan'i Rtoa Ministry ny Fanajariam-pahefana, Rtoa Ruffine Tsiranana, izay nanambara fa mihaotra noho ny adidy amin'ny firenena ity, satria ny fambolen-kazo dia adidy amin'izao tontolo izao sy ny taranaka ho avy. 

Niaraka tamin'izay hevitra izay no nandehanan'ireo tanora tao Ampanotokana, mba hanatanteraka asa fanamboarana, toy ny fanavaozana ny aro-afo, tena ilaina tokoa manohitra ny doro-tanety ary misy ihany koa ny fanesorana ny ahitra manodidina ny manodidina ireo zana-kazo vao maniry mba ahafahany maniry haingana kokoa. Mihaotra ny 200 ny tanora nifanome fotoana ho an’ity hetsika ity ary faly avokoa ny rehetra fa nifankahita indray. Ireo zana-kazo teo aloha dia lasa hazo kely ary hita fa ny asa natao tany Ampanotokana nandritran’ny 4 taona dia nisy vokany avokoa. Zana-kazo 20.000 no novolena teo amin’ny tany 6ha teo.
Ny sabotsy 9 martsa heriny, ireo tanora dia ho avy eto amin’ity toerana ity maitso indray mba ahafahany mamboly zana-kazo 5.000. 

Lire en français



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.com
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *