AMPANOTOKANA - ZANA-KAZO 5.000 NOVELENA TAO BABAY




 
Toerana fanta-dazo tokoa no nandehanan'ny tanoran'ny Nouvelle Génération namboly zana-kazo 5.000 fototra tamin'ity. Tsy inona izany akory fa i Babay, mbola ao amin'ny Commune Ampanotokana ihany. 
Tamim-pifaliana no nandehanan'ny tanora namboly teto amin'ity toerana manan-tantara ity. tsiahivina fa andro faharoa amin'ity "volana maitso", ity andron'ny faha-09 martsa ity.

"Faly izahay hoy i Ndrenja ao amin'ny Nephtalie. Sady nahay tantaram-pirenenana no nanao soa. 

Tamin'ity moa dia nivaka tokoa ny fambolen-kazo satria angadin'omby no nampiasaina. Izany indrindr dia mba ahafahana mahazo vokatra tsara kokoa, araka ny filazan'ny teknisiana avy ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena. 

 Antenaina noho izany fa amin'ity taona ity dia ho tsara kokoa noho ny teo aloha ny vokatra. 

Amin'ny herinandro manaraka moa dia hifindra eny Ambohimanambola indray ny tanora, hanatanteraka ny asa fanadiovana ny faha-16 martsa ary hamboly zana-kazo 5.000 indray ny faha-23 martsa. 






Lire en français
Plus d'articles: Mois vert à l'ïle Rouge

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.com
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *