AMPANOTOKANA - ZANA-KAZO 5.000 NOVELENA TAO BABAY
Toerana fanta-dazo tokoa no nandehanan'ny tanoran'ny Nouvelle Génération namboly zana-kazo 5.000 fototra tamin'ity. Tsy inona izany akory fa i Babay, mbola ao amin'ny Commune Ampanotokana ihany.
Tamim-pifaliana no nandehanan'ny tanora namboly teto amin'ity toerana manan-tantara ity. tsiahivina fa andro faharoa amin'ity "volana maitso", ity andron'ny faha-09 martsa ity.
Amin'ny herinandro manaraka moa dia hifindra eny Ambohimanambola indray ny tanora, hanatanteraka ny asa fanadiovana ny faha-16 martsa ary hamboly zana-kazo 5.000 indray ny faha-23 martsa.
Lire en français
Plus d'articles: Mois vert à l'ïle Rouge
FAMBOLEN-KAZO AMPANOTOKANA - 02 MARS 2013
Mifanaraka nefa tsy mitovy ny taona. Nanomboka tamin'ny taona 2007, ny vondrona "Nouvelle Génération" dia nanatanteraka fambolen-kazo maro tany Imeritsiantosika, Ambohimanambola, nandalo tany Anmpanotokana sy Andringitra.
Satria moa ny FVKFM dia mikasa manatsara hatrany, tamin'ity indray mitoraka ity, ny volana martsa dia nantsoina hoe "Volan'ny Fambolen-kazo". Noho izany, sabotsy 4 no natokana hanaovana izany, eny amn'ny toerana efa fambolen-kazon'ny Nouvelle Génération, izany hoe Ampanotokana sy Ambohimanambola.
Talohan'ny nandehanana, tamin'ity faha-2 martsa, ireo tanora dia nanatrika ny lahateny fampaherezana sy famporisihan'i Rtoa Ministry ny Fanajariam-pahefana, Rtoa Ruffine Tsiranana, izay nanambara fa mihaotra noho ny adidy amin'ny firenena ity, satria ny fambolen-kazo dia adidy amin'izao tontolo izao sy ny taranaka ho avy.
Niaraka tamin'izay hevitra izay no nandehanan'ireo tanora tao Ampanotokana, mba hanatanteraka asa fanamboarana, toy ny fanavaozana ny aro-afo, tena ilaina tokoa manohitra ny doro-tanety ary misy ihany koa ny fanesorana ny ahitra manodidina ny manodidina ireo zana-kazo vao maniry mba ahafahany
maniry haingana kokoa. Mihaotra ny 200 ny tanora nifanome fotoana ho an’ity
hetsika ity ary faly avokoa ny rehetra fa nifankahita indray. Ireo zana-kazo
teo aloha dia lasa hazo kely ary hita fa ny asa natao tany Ampanotokana
nandritran’ny 4 taona dia nisy vokany avokoa. Zana-kazo 20.000 no novolena teo
amin’ny tany 6ha teo.
Ny sabotsy 9 martsa heriny, ireo tanora dia ho avy eto
amin’ity toerana ity maitso indray mba ahafahany mamboly zana-kazo 5.000.
Lire en français
Lire en français
Inscription à :
Articles (Atom)