Tsy voasoratra ve fa ny zanaka vavy tsara dia ho vady sy reny tsara. Nefa marina ve izany?
Tsy voasoratra ve fa ny zanaka lahy tsara dia ho vady sy ray tsara. Nefa mbola marina ihany ve izany?
Amin’ny fampiarana aloha dia izay no ampianarin’ny fiainana amintsika.
Satria azo antoka fa misy Andriamanitra, ireo zanak’Andriamanitra marina dia hahatoky, hahatakatra ary ho namana tsara. Izay no hazofijalian’ny kristianina tsirairay.
Ny hazo mitsangana dia manambara ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Ilay mitsivalan’ ny hazo fijaliana dia manambara ny fifandraisan’ny mpivady ihany koa. Tsy misy hazo fijaliana raha tsy misy ilay mitsivalana. Ho an’ny hazo fijaliana to,ga lafatra (ny fanambadiana), ireo hazo mitsivalana dia samy namboarina avy amin’ny tapan’ny hazo nanaovana ny hazo mitsangana. Ny hendry, rehefa manamboatra ny hazofijaliana, dia mifidy ny hazo mitsivalana amin’ny alalan’ny hazo mitovy amin’ilay hazo mitsangana. Ny akora amin’ny hazo mitsangana ihany no anaovana ny hazo mitsivalana.Ny lehilahy ara-panahy dia mitady vehivavy ara-panahy. Ny vehivavy nateraky ny Fanahy ihany koa dia mitady lehilahy nateraky ny Fanahy. Raha ampiarina dia samy manana toetra avy amin’Andriamanitra izy ireo. Mahatoky amin’ny fahafolon-karena sy ny fanatitra izy. Raha mahatoky an’Andriamanitra izy, dia samy mifampatoky ihany koa. Vonona hanao sorona ny sitra-pony mba hanao ny sitra-pon’Andriamanitra. Raha manao sorona ho an’izay tsy hitany iz, dia hanao sorona ihany koa ho an’ny olona tiany. Ny fahatsaran’ny endrika dia mitoetra ao anatin’ny fahatsaran’ny toetra:“Ny vehivavy tsara dia satroboninahitry ny lahy; fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lo ao anatin'ny taolana." (Ohabolana 12:4)Tsy misehoseho izy amin’ny fitondran-tenany, ny fomba firesany na ny fiakanjony. Raha manaja ny ray aman-dreniny izy, dia hanaja ny vadiny ihany koa ary toy izay ihany koa ny amin’ny lafiny mifanohitra. "Iza no mahita vehivavy tsara? " (Ohabolana 31:10)Jehovah dia namaly ny fitarainan’i Agara, mpanompo vavin’i Sara teo akaikin’ny lavaka fantsakana.Rebeka, vadin’Isaka dia hita teo akaikin’ny lavaka fantsakana;Rahely, vadin’i Jakoba, dia hita teo akaikin’ny lavaka fantsakana;Zipora, vadin’I Mosesy, dia hita teo akaikin’ny lavaka fantsakana;Ilay vehivavy samaritana dia nahita an’i Jesosy teo akaikin’ny lavaka fantsakan’i Jakoba.Tamin’ny fotoanan’andron’ny Baiboly, ny fanorenana tànana iray dia nanomboka manodidina ny loharano iray.Ny fiainana mandrakizay sy ny fanambadiana sambatra dia manomboka toy izany, manomboka eo amin’i Jesosy Kristy Tompo – Loharanon’Aina.Ny lava-drano dia manambara an’i Jesosy – Loharano. Ny rano dia manambara ny Fanahy Masina _ Ranon’Aina.Vakio ary saintsaino ity hafatra ity mandra-pahatakaranao azy tanteraka. Azo antoka fa ny Fanahin’Andriamanitra hanazava ny sainao.
> retour aux messages
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire
Laisser un commentaire:
Rappelez-vous que cet espace est réservé pour des commentaires seulement. Seuls les commentaires pertinents seront autorisés. Les e-mails peuvent également être envoyés à: communaute.mada@moov.com
Votre adresse email ne sera pas publié. Les champs obligatoires sont marqués *